ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Noraisin’ny lehiben’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena vaovao ireo lehiben’ny fokontany

Noraisin’ny kaomandy voatendry hiasa ao amin’ny borigadin’ny zandarimariam-pirenena vaovao sy ny lefitra mpiara-miasa aminy ireo lehiben’ny fokontany ao anatin’ny kaominina Ambohimangakely. Nisy ny resaka sy ny dinika nifanaovana nandritra izany mahakasika ny fandriam-pahalemana sy ny olana misy eny anivon’ny fokontany tsirairay ary ny fomba hanatsarana ny fiaraha-miasa.

« Eny amin’ny fokontany no fototra ary ireo lehiben’ny fokontany no maharaka voalohany indrindra ireo zava-misy sy ireo olana izay hiainan’ny mponina. Antony nanaovana ny dinika mba hahafahana mijery ireo vahaolana mifanaraka amin’isam-pokontany. Indrindra mba hampandry fahalemana ny mponina » hoy ireo mpitandro filaminana.

« Maro ireo olana sedrain’ny mponina eny ifotony. Ilaina fandraisana andraikitra sy ezaka avy amin’ny tsirairay izany. Tsy tokony hiandry ireo mpitandro filaminana hatrany anefa ao anatin’izany fa ny olon-drehetra afaka manova sy mitondra vahaolany » hoy i Saholy, mponina ao Ambohimangakely.

Mifameno ny mpitandro sy ny mponina amin’ny famongorana ny asa ratsy sy ny fanatanterahana ny asa fampandriana fahalemana eny ifotony. Nilaza moa ny avy anivon’ny kaominina fa mbola hisy ny fidinana ifotony isam-pokotany sy fivoriam-pokonolona hiarahana amin’ireo mpitandro filaminana ireo hiresahana ny paik’ady sy ny fiaraha-miasa tokony hatao isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire