Torohevitra : Fampiasana ny ranombary hanalavana ny volo
Maro ny tovovavy na ny vehivavy mankafy izany hoe lava volo izany. Singa iray manome endrika ny vehivavy izy io. Arakaraky ny fikarakarana azy ihany koa anefa no ahafahana mahazo vokatra mahakasika ny volo izany.
Maro ihany koa ireo torohevitra rehetra azo atao. Samy manana ny fitaovana sy ny vokatra hampiasainy ny tsirairay mba hikarakarany volo, fa ny tsara indrindra dia ny mampiasa akora natoraly hatrany foana. Ity misy fikafika iray indray ary sao mety aminao.
Afaka hampiasaina ny ranombary mba hampalava ny volo, hampatevina azy, hampangirana azy ary ihany koa hahafahana manala ny angadrano. Ny ranombary “fermentée” no tena idealy rah ate hahazo vokatra tsara. Toy izao ary ny fikarakarana azy io, lomana anaty rano mandritra ny 30minitra farafahabetsany ny vary efa voasasa tsara tapa-kapoaka eo ho eo. Tatavanina ilay rano avy eo ary hajanona anaty « bocal » mandritra ny 24ora. Rehefa heno fa miova ny fofon’ilay ranom-baru taorian’ilay 24ora dia izay izy no antsoina hoe « fermenté » ka azo ampiasaina avy hatrany. Rehefa vita kosa ny fanasana loha dia iny ranombary iny no hanakobanana azy ary havela hilona eo mandritra ny 30minitra ka rehefa izay dia kobanina amin’ny rano madio.
Fikafika iray natao ho an’ireo tovovavy tia volo lava izy ity satria dia ahazoana vokatra vetivety anaty fotoana fohy. Ny vary dia akora iray manankarena « protéine » ka mety hanamaina ny volo ka tsara kokoa raha indroa isam-bolana ihany no hanaovana azy.
Miora Raharisolo
