ActualitésTsidika

Jirama : Entanina ny tokan-trano tsirairay avy mba hampiasa ny rano am-pahamendrehana

Amin’izao fotoanan’ny main-tany izao sy ny mety ho mbola fahataran’ny rotsak’orana dia entanina hatrany ny mpampiasa ny rano avy amin’ny orinasa Jirama mba tsy handanindany foana fa hampiasa izany am-pahamendrehana.

Nihena ny fatran’ny rano vokarin’ireo teorana mpamokatra rano ho an’ny faritra Antananarivo na dia efa miisa 15 aza ireo. Tsy mahatosika ny filàn’ny mponina izany noho ny main-tany izay hita amin’ny faritra maro ka mampihena ny rano avy any amin’ny renirano mameno ny tobin-drano hampiasaina. Hisy ny fikorontanana amin’ny famatsian-drano eto amin’ny renivohitra ka ilaina hatrany ny mitandrina.

« Amin’izao efa anaty toe-javatra mahamailo izao dia efa fiara mpitondra rano miisa 11 no efa nahetsika hanomezana rano madio ny mponina maro eto Antananarivo, indrindra ireo eny amin’ny faritra saro-drano rehetra hatrizay. Efa hapetraka manerana ny kaominina ihany koa ireo “citernes” miisa 162 ary fenoina rano isaky ny roa andro izany hahafahan’ny mponina misitraka rano madio », hoy ny avy ao amin’ny orinasa Jirama.

« Ny olona ampahafantarina foana ny tokony hataony kanefa ny Jirama mihitsy indraindray no tsy mandray ny anadraikiny. Fantsona vaky efa ho iray volana tsy vita foana ny fanamboarana azy. Efa nandritra ny firy volana izahay izao no mijaly rano foana. Tokony mba mifanaraka kosa ny fanentanana sy ny fomba fiasa amin’izay mba samy mahazo tombony ny rehetra », hoy i Naty, nampiaka-peo noho ny zava-niseho teny aminy, mponina Avaratr’Ankatso.

Na amin’ny fotoana tsy fisian’ny rano na amin’ny fotoana maha betsaka ny rano dia ilaina hatrany ny mandanjalanja ny fampiasana azy satria anisan’ny miantoka ny fiaianan’ny zava manan’aina maro ny rano. Toy ny zavatra rehetra ihany dia ilaina ny fandanjalanjana azy mba hiantoka fahatsaran’ny fiainana ho avy.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire