SocialTsidika

Tsy mifidy angalarina ny mpangalatra.

Mirongatra ny tsy fandrimpahalemana ankehitriny. Angalarina avokoa rehefa azo avadika ho vola fa tsy an-kifidy intsony. Izany tokoa ve no itarafana ny fahatran’ny firenena iray ? Ny alarobia 23 febroary teo izao teny Analakely teny tamin’ny telo ora maraina, nisy lehilahy tratra nangalatra moto iray. Ny miaramila izay tsy mandry andro tsy mandry alina manao fisafoana amin’ny fandrimpahalemana no nahatratra azy. Fantatra avy amin’ny alalan’ny fijerena ireo taratasy tamin’ilay moto ny tompony ka niala maina ilay mpangalatra. Betsaka ny endrika isehoan’ny tsy filaminana eto amintsika fa tsy toy izay ihany akory. Tsy ny mpitandro filaminana anefa no vitsy fa ny ratsy no tsy kely lalana ka sarotra hazaina. Azo lazaina ho tsara ihany anefa ny paik’ady apetrak’ireo tompon’andraikitra amin’ny filaminambahoaka manoloana ny tranga toy izao. Fahantrana ka tsy mahita asa hatao sa hakamoana hiasa tsotra izao no manosika ireo ratsy handripaka ny fananam-bahoaka ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire