Chine : Iza moa i Yao Ming ?
Isan’ireo Chinois lava goavana indrindra i Yao Ming. Mirefy 2,29 metatra ny tenany. Teraka ny 12 septambra 1980 tao Shanghai izy ary mpilalao basket-ball eo amin’ny toeran’ny « pivot ». voasokajy ho mpilalao lehibe indrindran’ny NBA izy nandritra ny fotoana nilalaovany tao amin’izany klioba izany.
Nilalao nandritra ny 5 taona tao amin’ny CBA (Chinese Basketball Association) i Yao Ming talohan’ny nanatevenany laharana ny NBA. Tany amin’ny faran’ny taom-pilalaovana 2010-2011 kosa izy no nisotro ronono rehefa nahavita vanim-potoana sivy ny Rockets de Houston.
Nampidirina tao amin’ny Basketball Hall of Fame kosa izy ny 4 aprily 2016 niaraka tamin’i Shaquille O’Neal sy Allen Iverson.
