SocialTsidika

Ny firaisamonimpirenena : Manome lanja ny fifampiresahana.

Samy afaka maneho ny heviny manoloana ny zava-misy avokoa ny olom-pirenena tsirairay avy. Misy ihany koa ny fikambanana maro samihafa manao izany. Ankoatra ny antoko politika, tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny eo anivon’ny firaisamonimpirenena. Mihamaro ny olontsotra mahafantatra ny atao hoe firaisamonimpirenena. Tsy ny mpanao politika ihany, fa mampiasa ity vaombolana ity ihany koa na ny mpampita vaovao, ny mpiserasera ary ny mana-pahaizana sy ny mpikaroka. Sehatra iray eo anivon’ny fiaraha-monina izay ivondronana fikambanana maro tsy dia miankina loatra amin’ny fanjakana no azo amaritana ny atao hoe firaisamonim-pirenena. Anisan’ny anjara asan’izy ireto ny fanaovana izay hahalavorary ny fanehoankevitry ny mpiray monina. Amin’ny fotoana mampamaivay ny raharahampirenena tahaka izao no tena hanehoan’izy ireo ny heviny. Manao asa fanelanelanana eo amin’ny olom-pirenena sy ny fanjakana izy ireo. Mahakasika ny raharahampirenena ankehitriny anefa tsy hain’izy ireo ny tsy hiteny manoloana ny zava-misy. Nilaza izy ireo fa mety hiteraka krizy politika sy sosialy lavareny ny fisavorovoroana misy eto amin’ny firenena. Zo fototra ny fanaovana fitakiana nefa kosa tokony hitady hevitra ny mpitandro filaminana ny hampandeha izany ao anatin’ny filaminana. Tokony arovana ihany koa ny zon’ireo olona tsy maintsy manohy ny fiainaana andavan’andro. Ilaina arak’izany ny fanehoankevitra ampilaminana mba hisorohana ny fihoarampefy sy ny fanararaotana. Navoitran’izy ireo tamin’izany ihany koa fa ilaina ny mifampihaino na eo amin’ny mpitondra n any mpanohitra. Vahaolana natolotr’izy ireo ny fizorana ho any amin’ny firesahana mba hialana amin’ny fahantrana lalina ateraky ny krizy politika.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire