Burkina Faso : I Ibrahim Traoré indray no lehilahy mahery ao amin’ny firenena
Ny kapiteny Ibrahim Traoré dia miaramila sy olom-panjakana ao Burkina Faso izay lasa lehiben’ny fanjakana ny 30 septambra teo. Teraka ny taona 1988 ny tenany ary tsy nivoaka tao amin’ny « Prytanée Militaire de Kadiogo » toy ny manam-boninahitra maro izy. Nianatra tao amin’ny Oniversite Joseph Ki-Zerbo tao Ougadougou ny tenany ary tamin’ny taona 2010 vao niditra tao amin’ny tafika.
Vetivety ihany i Ibrahim Traoré dia nisondrotra tao amin’izany tafika izany. Ny taona 2012 izy no lasa « sous-lieutenant » ary ny taona 2014 ihany lasa «lieutenant ». Nanongam-panjakana kosa i Ibrahim Traoré talohan’ny nahatongavany teo amin’ny fitondrana. Nasoriny teo amin’ny fitondrana ny lieutenant-colonel Paul-Henri Sandaogo Damiba ary notarihiny ny « Mouvement patriotique pour la sauvegarde et la restauration ».
