Toe-karena : Tsy manembatsembana ny mpanjono madinika ny Eoropeanina
Dépêche 30 septembre, 13h, Tsy misy fiantraikany amin’ireo mpanjono madinika ny jono ataon’ireo mpanjono eoropeana. Ho hatao ny Sonia fiaraha-miasa amin’ny resaka jono miaraka amin’ny zareo Eoropeanina. Vinavinaina hahazoana 3 tapitrisa euros isan-taona izany ka eo ho eo amin’ny 12 tapitrisa euros eo izany mandritra ny 4 taona fiaraha-miasa. Tsy manakana ny mpanjono madinika eto an-toerana hanao ny asany izany satria samy mampiditra tombony ho an’ny firenena avokoa izany.
