ActualitésTsidika

ESP Big : Seha-piofanana voalohany miompana amin’ny siansa sy ny teknolojia ary ny informatika

Efa tamin’ny taona 1990 no niforonan’ny sampam-piofanana ESP Big (Etablissement Supérieur Professionnel spécialisé en informatique). 32 taona no nisiany teto Madagasikara, izay anisan’ny sehatra miompana tanteraka amin’ny tontolon’ny siansa, informatika sy ny teknolojia. Fampiofanana arak’asa ho matihanina no antom-pisiany nandritra izany ary efa maro ireo tanora no lasa teknisianina, nahazo fiofanana sy nandranto fahalalana tao.

« Hatramin’izay aloha dia hatreo amin’ny Taona faha roa sy taona fahatelo (diplaoma DTS sy Licence) ihany no navoaka tato amin’ny fiofanana. Namoaka mpianatra ho lasa teknisianina amin’ny resaka développement an’application sy ny développement web no nisy tato. Ankoatra izay anefa misy ihany koa ny fampiofanana amin’ny tontolon’ny serasera (communication) sy ny multimedia, ny informatique de gestion ary ny fanaovana montage » hoy Razafimahefa Hony tiana, tompon’andraikitra ao amin’ny ESP Big.

« Anisan’ny tanjona napetraka amin’izao fotoana izao ny hampiditra ny lalam-piofanana amin’ny Master izany hoe hamoaka tan-tsoroka sy mpikaroka ara-tsiantifika izay mahakasika ny siansin’ny informatika sy teknolojia ihany, izay efa misy ny fiaraha-miasa avy amin’ireo mpampiofana matihanina avy eny amin’ny anjerimanontolo amin’izao fotoana izao » hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mifidy sokajy fa afaka misehatra amin’ny tontolon’ny informatika avokoa na ny sokajy L na ny sokajy S. Ny ESP Big moa dia mandray ireo tanora rehetra liana amin’ity sampam-piofanana ity ary efa misokatra ny fisoratana anarana ho an’ity taom-pianarana 2022-2023 ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire