République démocratique du Congo : Nyiragongo, volkano ahatahorana indrindra aty Afrique
« Stratovolcan » ny Nyiragongo izay mahatratra ny haavo hatramin’ny 3 470 m. Ao amin’ny lohasahin’i Grand Rift, any atsinanan’i République démocratique du Congo no misy azy. Tafiditra ao amin’ny tendrombohitra Virunga kosa izy any amin’ny 2 kilometatra avaratry ny tanànan’i Goma sy ny farihy Kivu ary any andrefan’ny sisin-tanin’i Rwanda.
Anisan’ny volkano ahatahorana indrindra eran-tany ny Nyiragongo ary nampidi-doza indrindra ary Afrique. Akaikin’ny faritra be mponina no misy azy nefa isan’ireo volkano mipoaka matetita izy. Ny 17 mey 2002 izy no nifoha indray ary ny 22 mey 2021 no nipoaka farany niaraka tamin’ny farihina « lave » naharitra izay tsy fahita firy eran’izao tontolo izao. Mikoriana haingana sy betsaka ihany koa io « lave » io ary voasokajy ho isan’ny haingam-pandeha indrindra eran-tany izany fikorinany izany.
