ActualitésTsidika

Kolontsaina : Mankalaza ny faha 60 taona niakarany antsehatra i Salomon

Mankalaza ny faha 60 taona niakarany antsehatra i Salomon ka ny Miritsoka Production no miara-miasa aminy amin’ny fanatanterahana izany. Hisy ny lanonana karakarain’ity orinasa mpikarakara lanonana ity ao amin’ny CC Esca Antanimena ny 25 septambra izao. Lanonana hamerenana indray ireo kalon’ny fahiny nampalaza sy tian’nyy be sy ny maro ary natao ihany koa hamapahafantarana ireo tanora taty aoriana ny hatsaran’ny mozika taloha.

« Efa valopolo taona aho izao ary mahafaly any indray ny hiaona amin’ireo mpankafy sy mpanaraka ny mozikako, fanomezana lehibe hio ahy ity nataon’ny Miritsoka Production ity ka mahafaly ahy ny mandray izany », hoy i Salomon. Hahenoana ireo hira rehetra nampalaza azy nandritra izay 60 taona izay tokoa moa ity jhetsika ity ka hahafahana manome fahafaham-po ny rehetra. « Manam-pahaizana ara-mozika ity zokibe antsika ity ka anisan’ny ho fanajana azy sy poa-tsatroka amin’ny zava-bitany hatrizay ity hetsika ity », hoy i Hery Randriamampianina avy ao amin’ny Miritsoka Production. 3Mpankafy hatrizay ny tenako, efa antitra izy ary na ny feony ary efa somary niova kely fa tianay foana dia tsy maintsy homenay voninahitra izy », hoy i Noro, mpankafy.

Hatanjaka ny fanamafisam-peo amin’io, hatanjaka ny fety, hatanjaka ny ambiance satria efa mpikarakara matihanina no mikarakara izany. Ireo hira rehetra nahafantarana an’i Salomon no ho re ao mandritra izany, izay hiarahany amin’ireo mpanao mozika matihanina sy ireo mpanakanto zandriny isankarazany ihany koa.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire