Ankadikely Ilafy : Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ara-pahasalamana tao amin’ny kaominina
Tontosa soa aman-tsara ny alarobia lasa teo ny hetsika fizahana ara-pahasalamana maimaimpoana tao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Tonga maro tokoa ireo vahoaka nizaha sy nanao fitiliana ary nanao vaksiny nanditra izany.
« Isaorana feno ny fitondram-panjakana sy ireo mpitsabo ary ny tompon’andraikitra rehetra tamin’ny fanomezana sy fanohanana ny hetsika. Tonga maro tokoa ireo mponina, ary afa-po tamin’ny fikarakarana sy fandraisana azy ireo nandritra ny hetsika ara-pahasalamana iny » hoy ny avy amin’ny kaominina.
« Efa ela no nieritreritra hijery maso satria matsapa ohatran’ny tsy metimety ny fahasalaman’ny maso ka dia tonga eto. Manampy sy manala fahasahiranana satria raha makany amin’ny mpitsabo enao amin’izao efa lafo tsy takatra ny fizahana sy ny fanafody » hoy i Sahondra, mponina ao Belanitra.
Karazana fitiliana, sy fizahana ny aretina isan-karazany ny niseho nanditra ny hetsika, afaka nisitraka izany avokoa ireo mponina araka ny filàny tsirairay avy. Ny hetsika manakaiky ny vahoaka toa izao tokoa no hirariana mba hitohy sy hisitrahan’ny kaominina hafa mba tena hahafahan’ny rehetra mahazo fahasalamana maimaimpoana avokoa.
Manitra Ramanantsoa
