ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Hisy ny sehon-tsehatra goavana indroa mihataona mandritra ny fankalazana ny « Angaredona mozika festival »

Sehon-tsehatra goavana no hiseho mandritra ny roa andro misesy ao amin’ny kaominina Ambohimanga rova ny fa 24 sy ny faha 25 ny volana septambra izao, mandritra ny fankalazana ny Angaredona Mozika festival, andiany faha 16. Mpanakanto malaza maro sy efa fanta-daza no nasain’ireo mpikarakaraka hanafana ny lanonana mandritra izany fankalazana izany toa andry Berthon Valiha, Angie Ambavilanitra, Bagzana, ary Bakasialy no hiseho sehatra ny 24 septambra : Koezy, Rajery, Princio ary Lôla kosa ny 25 septambra.

« Fanomezan-danja ireo hira sy gadona Malagasy no tena tanjona mandritra ny festival. Tahaka ny fanao mahazatra, hampiala voly ireo mponina ary hanome sehatra ny mpankanto no mpikarakara izay hisaorana ny kaominina sy ny mpanohana rehetra » hoy ny mpikarakara ny hetsika.

« Mahafinaritra fa hitondra laza an’ny kaominina indray izao. Haharesaka ihany koa ny tanàna satria hifety indray ny mponina no sady fialam-boly ihany koa » hoy i Miarintsoa, mponina ao Ambohimanga rova.

Natao ho an’ny sokajin-taona rehetra ny fankalazana. Eo ihany koa ireo gadona maro loko mampiavaka ny kanto malagasy hanosehana sy hampandraisana anjara ireo mpanakanto samihafa. Ny mpankafia tokoa sisa no handrasana hifety sy hiala voly amin’ireo fotoana ireo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire