Tontolo iainana : Fahasimbana eo amin’ny « Site Kalanoro », fanarenana no tanjon’ny « ecovision village »
Ao anelanelan’ny faritra arovana telo no misy ny « Site Kalanoro » : eo afovoan’ny Parc National Mantadia (avaratra) ny Réserve Nationale Analamazaotra (atsimo) ary ny Réserve Vohimana (atsinanana). Ireto toerana telo ireto izay samy hitoeran’ny zavamaniry sy biby maro isankarazany samy arovana daholo.
Manandanja lehibe ny fikarakarana ity « Site Kalanoro » ity noho izy toerana handalovan’ireo biby sy zava-maniry maro avy amin’ireo faritra arovana telo ireo, izany hoe toerana hiaonan’ireo zava-manan’aina mifindrafindra. Fon’ity toerana ity ny ao amin’ny « site kalanoro » arak’izany.
Ahitana fahasimbana anefa io toerana io ankehitriny noho izy ahitana fanapahana sy fandorana ala matetika. Hanamboarana entona fandrehitra sy hanaovana tavy ary ampiasaina amin’ny andavan’andro no anton’izao fahasimbana izay miteraka fahaverezan’ny harena voajanahary vaoatahiry sisa ao amin’ny 350 ha ambiny izao.
Nampirongatra izany fahasimbana izany ny covid-19 noho ny fikatonana sehatr’asa maro ka nanjary niankin-doha tanteraka tamin’ny ala sy ny asa htao anaty al any mponina tany amin’io faritra io.
Manana vina ny hiasa ho amin’ny fanarenana ity ny “ecovision village” amin’ny alalan’ity tetik’asa « Kalanoro » ity.
Miora Raharisolo
