Fokontany Soavimasoandro : Azon’ny mpitandro filaminana indray ireo mpanendaka
dépêche 9 septembre, 11h30, Nahitana tranga na fanendahana indray teny amin’ny fokontany Soavimasoandro ka mpitondra moto indray no tratran’izy ireo tamin’izany. Tra-tehaky ny polisy teny an-toerana teo ampanaovana ny asa ratsiny moa izy roa lahy ireto ka notanana niaraka tamin’ny moto fanaovany izany asa ratsiny izany.
