ActualitésTsidika

Akadikely Ilafy : Tsy an-tery intsony ny fanaovana arotava an-tsekoly

Taorian’ny naoty navoakan’ny ministerana mpiahy ny fanabeazam-pirenena mahakasika ny tetiandrom-pianarana 2022-2023 ity, ny fiandohan’ny herinandro teo. Notsipihana tao anatin’izany ihany koa fa tsy an-tery intsony ny fanaovana aro vava-orona any an-tsekoly.

Ho an’ny kaominina Ankadikely Ilafy manokana, nametraka izany naoty izay ny teo amin’ny kaominina. « Tsy an-tery ny fanaovana aro vava orona amin’izao fotoana fidiran’ny mpianatra izao. Malalaka sy manan-tsafidy araka izany ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra amin’ny fanaovana ny fepetra sakana hiarovana amin’ny valan’aretina » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.

« Araka ny naoty navoakan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, tsy misy intsony ny fanaovana aro-vava orona, anjaran’ny eny amin’ny sekoly kosa no mametraka fepetra hiarovana ireo mpianatra sy ny ankizy manoloana ireo areti-mifindra, aretin’ny taovam-pisefoana satria mbola ao anatin’ny ririna isika mbola maro ireo aretina mora azo noho ny fiovaovan’ny toetr’andro » hoy ny tomponandraikitry ny sekoly iray.

Tsiahivina, fa mbola misy tokoa ny valan’aretina covid-19 amin’izao fotoana izao. Anjaran’ny isam-batan’olona no miaro ny tenany satria dia areti-mandoza mandrakariva ity aretina ity na dia tsy voaresaka matetika ny mahakasika azy tato ho ato.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire