Alasora : Hisy ny tournoi de maire 2022 petanque
Hisy ny tournoi de maire 2022 petanque ny 10 sy 11 septambra ho avy izao. Izany dia tontosaina ao amin’ny fihodinana Mandikanamana Alasora. Hisy ny fihaonan’ireo izay handray anjara ny 07 septambra 2022 amin’ny roa ora folak’andro ao amin’ny trano filanonana na « salle de marriage » kaominina Alasora. Afaka maka ny « bordereau-any » ihany koa ireo izay mbola tsy nahazo. Ny fifanintsanana moa dia ho tanterahina ny 10 septambra manomboka amin’ny valo ora maraina ary ny 11 septambra kosa ny dingana famaranana.
« Mahafinaritra hatrany ny fisian’ny fifaninana tahak’izao hisintomana ny sain’ireo tanora ho liana amin’ny resaka fanantanjahan-tena fa tsy hiroana any amin’ny zava-mahadomelina » hoy ny tompon’andraikitra eny anivon’ny kaominina. « Ilaina ny hetsika tahaka izao mba hisy hivoarana sy hampitoboana hatrany ny fahaizana efa ananana » hoy i Tojo anisan’ireo mpandary anjara. « Mampivelatra ny saina ny fanaovana fanantanjahan-tena ary mahafinaritra ny fikarakarana hetsika toy izao » hoy i Victor, mpampianatra taranja fanantanjahan-tena.
Manasa ireo rehetra liana amin’izany hetsika izany mba handray anjara.
Famenontsoa Rajerison
