Allemagne : Nanamarika ny tantara i Albert Einstein
Teraka ny 14 martsa 1879 tao Ulm, Wurtemberg i Albert Einstein ary maty ny 18 aprily 1955 tao Princeton, New Jersey. «Physicien théoricien » ny tenany izay nonina tao Allemagne, nosokajiana ho tsy nanana fiaviana (apatride) izy teo anelanelan’ny taona 1896 sy 1901, Suisse ny taona 1901 ary nanana zom-pirenena roa helvético-américaine ny taona 1940.
Tsy mbola lefy laza i Albert Einstein sy ny asa fikarohany hatramin’izao fotoana izao. Anisan’ireo lalan-tsaina novolavolainy ny « relativité restreinte » tamin’ny taona 1905 sy ny « théorie de la gravitation » atao hoe « relativité générale » tamin’ny taona 1915. Nandray anjara lehibe tamin’ny fampivoarana ny « mécanique quantique » sy « cosmologie » ihany koa ny tenany.
Efa nahazo « prix Nobel de physique» i Albert Einstein tamin’ny taona 1921 manolona ny fanazavany ny « effet photoélectriqueN2 ». Anisany ahafantarana azy ihany koa ny E=mc². Voasokajy ho siantifika lehibe indrindra teo amin’ny tantara io fizisianina io.
