Espagne : Julio Iglesias, mpanjakan’ny « voay »
Teraka ny 23 septambra 1943 tao Madrid i Julio José Iglesias de la Cueva antsoina hoe Julio Iglesias. Mpihira avy ao Espagne izy izay mbola velona soa aman-tsara.
50 taona no nandratan’i Julio Iglesias ny mozika ary tongany lavitra izany. Ny tenany no mpihira « latino » namarotra raki-kira maro indrindra eran’izao tontolo izao. Mihoatra ny valopolo ny fitambaran’ny raki-kira noraiketiny izay nohiraina tamin’ny fiteny 14. Nahazo « disque d’or » sy « disque de platine » naherin’ny 2 600 ihany koa izy ary nandritra ny fotoam-pihirany.
Nodimbiasin’ny zanak’i Julio Iglesias, Enrique Iglesias ny asa fihirany. Ity farany izay mpanakanto mamiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.
