ActualitésTsidika

Fianarantsoa : Tanora sy mpitarika tanora 82 mianadahy no tonga nihatrika ny fiofanana nokarakarain’ny Natiora Kanto tao Manandriana

Tanora sy mpitarika tanora 82 mianadahy no tonga nihatrika ny fiofanana karakarain’ny Natiora kanto andiany faharoa. Tonga nanokatra ny fiofanana tamin’ny fomba ofisialy ny solombavambahoaka.ny alatsinainy 8 aogositra lasa teo.

Nanombohana ny fiofanana ny fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ny tanora sy mpitarika tanora 82 mianadahy mikasika ny « développement personnel » , « socio-organisation », « entrepreneuriat rurale »… izay natao tao Manandriana mialoha n’y Festivaly Voasary Makirana. Ny Alarobia 10 aogositra lasa teo no tonga nanokatra ity fiofanana ity tamin’ny fomba ofisialy ny solombavambahoaka nohotronin’ny lefitrry ny lehiben’ny distrika sy ny talem-paritry ny varotra sy fanjifana ary fampiroboroboana ny Indosotria sy soloten’ny mpitandro filaminana.

Vao sambany tao Manandriana no nisy hetsika toy izao ka samy nahatsapa ny mahaza-dehibe ity hetsika ity na ireo mpisitraka na ny Solombavambahoaka. mendrika ny ho tohanana fa fandrosoana mivantana ho an’ny fampanan’asa ny Tanora sy fampiroboroboana ny Toe-karena izao hetsika izao hoy ny solombavambahoaka. Nangataka kosa ireto mpiofana ny hisian’ny fanofanana isa taona toy izany ary vonona hanohana hatrany ny solombavambahoaka.

Tanjona moa ny hanana Tanora mpandrindra sy mpitarika ary mpandraharaha afaka mamorona asa ho an’ny tenany sy ny hafa hiteraka fampandrosoana. Ny SG Gouverneur sy ny ONG Ndao Hifanosika Fianarantsoa Ary ny Association Mamelona Fianarantsoa sy ny Chef service Communication Amoron’i Mania moa no nifanome tanana amin’ny fampiofanana izay atao maimaipoana noho ny fiarahamiasa amin’ny Natiora kanto ary ny Ministère ny Formation professionnelle no hanolotra ny Attestation na marim-pahavitam-piofananana ho azy ireo. Isaorana manokana amin’izany ireo rehetra nifanome Tanana,ny olom-panajana ao amin’ny Distrika notarihan’i Solombavambahoaka ary ny Transport Jean Ba nitondra ny mpampiofana avy ao Fianarantsoa.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire