Alasora : Lasa « brigade » ny biraon’ny zandary vaovao
Lasa « brigade » ny biraon’ny Gendarmerie eo Alasora, ary notokanana ny asabotsy teo izany. Marihina fa efa nisy ny fitokanana toby ho an’ny mpitandro filaminana talohan’io. Natolotry ny ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina ho an’ny gendarmerie moa ny trano vaovao ho ampiasaina amin’izany.
Tonga nisolo tena ny jeneraly minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Jeneraly Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria ny Jeneraly Rakotobe Christian, mpandrindra ankapobeny ny asa stratejika eo anivon’ny SEG, notronin’ireo Jeneraly Lefitra voalohany sy faharoan’ny komandin’ny Zandarimariam-pirenena.
Ny tanjona moa dia ny hampanjakana ny fandriam-pahalemana eo amin’ny kaominina Alasora, mitombo arak’izany ireo zandary hiasa eo amin’ny brigade Alasora.
Famenontsoa Rajerison
