ActualitésTsidika

Fifaninana amin’ny sehatra ambony: Nohamafisina ny fepetra fandraisana anjara

 Anisan’ny mbola tsy mahasarika ny ankamaroan’ny Malagasy ny fandraisanana anjara amin’ny fifaninana hidiranana amin’ny sehatra ambony ara-panjakana, toa ny fifaninana handraisana polisy.

Mbola mibahana hatrany ilay kolikoly sy ramatahora amin’ny fanentsenana vola ho an’ireo manana Havana na olom-pantatra ao amin’ny sehatra toa itony, mahatonga ny sasany hihemotra, tahotra ny ho lany vola na fandaniam-potoana. Manoloana izany indrindra, nohamafin’ny filankevi-panjakana na ny “conseil d”état” fa tsy fepetra hifantenana ireo mpifaninana ho raisina ho polisy ny rohim-pihavanana amin’ny endriny rehetra.

« Ny mason-tsivana mifototra amin’ny rohim-pihavanana, ka manome tombony mpifaninana amin’ny fidirana amin’ny asam-panjakana, dia mitarika raharam-pitsarana mety hanafoana manontolo ny fifaninanana » hoy hatrany ny fanzavana nataon’ny CIDH araka ny « Avis n°11/22-CE/CRECS/AV », nivoaka 27 mai 2022 sy « Avis N°15/22-CS/CE/CRECS », nivoaka 22 jolay 2022.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire