ActualitésTatitra

Russie : Gazprom, laharana voalohany amin’ny fanondranana entona fandrehatra

Orinasam-pirahalahiana (société anonyme) ao Russie ny Gazprom. Io anarany io dia fanafohizana ny teny hoe « Gazovaïa Promychlennost » izay midika hoe indostrian’entona. Fantatra amin’ny fitrandrahana, fanodinana ary fitaterana entona fandrehatra voajanahary izy.Nanomboka ny taona 2005 dia mpisehatra lehibe teo amin’ny tsenam-barotra maneran-tanin’ny « pétrole » ihany koa izy.

Ny orinasa Gazprom no mpamokatra sy mpanondrana entona fandrehatra laharana voalohany eran’izao tontolo izao ary orinasa goavana indrindra ao Russie. Izy no manao ampihimamba ny fanondranana entona fandrehatra ao Europe. Manoloana ny Covid-19 sy ny ady ao Ukraine dia miroborobo fatratra izy.

Laisser un commentaire