Mozambique : Matanjaka ara-fotodrafitrasa i Maputo
Tanana lehibe ao amin’ny Afrique Australe i Maputo ary renivohitr’i Mozambique. Ao amin’ny morontsirakin’ny ranomasimbe indiaina no misy azy ary 77 km miala ny sisin-tanin’i Afrique du Sud. Tafiakatra hatramin’ny 1 099 102 ny mponina tao aminy tamin’ny taona 2007.
Ny mpanjanaka avy ao Portugal no nanangana ny tanana. Lourenço Marques no anarana nomen’izy ireo azy tamin’izany ho fanomezam-boninahitra ireo mpikaroka sy ny mpamakivaky ranomasina. Ny 3 febroary 1976 kosa vao novain’ny Repoblika nentim-bahoaka vaovaon’i Mozambique ho Maputo ny anaran’ny tanana.
Matanjaka ara-fotodrafitrasa i Maputo raha hoarina amin’ny tanana maro aty Afrique, eo amin’ny maritrano, lalana, tetezana,…
