CultureTsidika

Kolontsaina: Fandihy amin’ny lanonana rehetra ny « Dihindahy »

Ny dihindahy dia dihy merina mampiseho ny tanjaky ny lehilahy ka somary mahery vaika nefa mirindra.

Fetim-panjakana sy lanonam-pianakaviana toy ny famadian-drazana no tena ahitana azy. Amin’ny ankapobeny dia lehilahy efatra no mandihy. Indraindray dia misy tovolahy kely anakiroa miditra mampiseho diky mirindra maherihery. Ny loha, ny tanana, ny sandry sy ny soroka ary ny tongotra no tena ampandihizina.

Misy ihany vehivavy  manampy mihira sy mitehaka manome gadona ny dihy.

Miakanjo vaky anoloana hatreny an-dohalika, mitovy loko, mazàna mena, manao pataloha matroka sy misikina lamba leso na maramara ny lehilahy; ary manao satroka ahibano mifehy lamba mainty izay sady endrika no mariky ny fisaonana raha misy fahoriana.

Apongabe, langoroana, lokanga ary trompetra no zava-maneno ampiasaina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire