Conseil

Fahasalamana : Ireo sakafo dimy miady amin’ny fahanterana

 Anisan’ny antony mahatonga ny tarehy ho mora antitra vetivety na mikentrona ny vokatry ny danik’andro na fiasana saina, mety ho antony ihany koa anefa ny fihinana sakafo tsy ara-dalana. Fantaro fa anisan’ny manampy ny taova ao anaty amin’ny fikoloana ny hoditra ny fihinana sakafo ara-pahasalamana. Ireto àry misy santionany vitsivitsy entina aminao, mety hanampy anao amin’ny fitaizam-batana.

Voalohany amin’izany ny trondro “saumon”, tsara hanina in-droa isan-kerinandro ity satria anisan’ny betsaka proteina ary manan-karena acides gras essentiels. Manaraka izay ny tsaramaso mena, hanina indray isan-kerinandro noho izy miaro amin’ny daniky ny masoandro. Fahatelo, ny atin-kena noho izy mpamokatra kératine izay anisan’ny miaro ny hoditra. Fahaefatra, ny fampiasana menaka olive amin’ny sakafo, izy ity izay manana anti-oxydant ilain’ny vatana ary farany ny fihinana pasteky, tokony hohanina matetika ity farany noho izy manao ireo sela maty amin’ny vatana sy manala kentrona isan-karazany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire