Sakafo: Ahoana ny fanamboarana cacapigeon matsiro?
Fotoan’ny fialantsasatra tokoa izao. Rehefa fialantsasatra dia sahirana ny ray aman-dreny mitady ody ambavafo ho an’ny ankizy maro ao an-trano. Azo atao tsar any mikarakara cacapigeon ao antrano fa sady matsiro no mora zaraina. Ireto avy ny akora ilaina: Lafarinina 500g, sira, sirammay lohatsotro, tongologasy voakiky, menaka tapaky ny vera, azo Asiana dipoavatra ihany koa.
Tsotra ny fikarakana azy. Afangaro avokoa ireo akora ilaina rehetra ireo afatsy ny menaka ihany. Lavahana kely eo afovoany vao araraka ny menaka na ny dibera natsonika. Raha to aka maina be ilay paty vao asiana rano kely. Tsy tokony hiboledaka be fotsiny izy. Afangaro amin’ny tanana amin’izay ary volavolaina tsara hahazo paty elastika. Rehefa tsy miraikitra amin’ny tanana ny paty dia efa izy izay. Fisahana amin’ny tavoahangy na ilay fitaovana fanafisahana iny. Tetehana araka izay tiana fotsiny avy. Endasina amin’ny menaka antonony izay asady tsy atao mahery afo no tsy malefaka afo. Vita ny cacapigeon, azo tonga dia hohanina avy hatrany na tehirizina fa tsy miova izany.
Nicole Rafalimananjara
