ActualitésTsidika

Tsiroanomandidy: Hisy ny fanamboarana ny tanin-jana-kazo goavana

Ny 16 Aogositra ho avy izao no hanomboka ny fanamboarana ny tanin-jana-kazo goavana na « pépinière géante » manodidina ny tendrombohitra Ambohiby, distrikan’i Tsiroanomandidy, Faritra Bongolava. Zanakazo hatramin’ny 5.400.000 isa no ho volena.

« Vokatry ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy amin’ny Eden Projet Reforestation no hahafahana manatanteraka izany tetik’asa izany. Ho voaaro araka izany ny loharano ao amin’ity tendrombohitra ity izay mamelona Kaominina miisa 5 manodidina azy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana. « Nisy ny fivoriana niarahana tamin’ireo sefo fokontany miisa 19 voakasika namaritana ny anjara andraikitr’izy ireo hahatanteraka ity vina goavana ity. Hirariana ny hahatontosan’izany ho fiaraha-mientana amin’ny fanarenana ny tontolo iainana » hoy hatrany izy ireo.

Hizara telo ny fanatanterahana io fandrakofana ala io. Ho atomboka amin’ ny famokarana zana-kazo, ary hitohy amin’ny fitsinjarana azy ho latsa-boa ary ao kosa no hatao bolabola.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire