Faritra Analamanga : Mitohy ny fanamboaran-dalana ho an’ny kaominina ambanivohitra
Mitohy ny ezaka amin’ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny fitaleavam-paritra ho an’ireo kaominina ambanivohitra saro-dalana eto amin’ny faritra Analamanga. Ireo lalan-tany ampiasaina any amin’ny kaominina ambanivohitra izay anisan’ny mampitaraina ny maro eny an-toerana, indrindra amin’ny vanim-potoanan’ny fahavaratra, noho izy mahatonga fahatarana amin’ny fitaterana ny vokatra izay mitondra fatiantoka ho an’ireo tantsaha mpamokatra any an-toerana.
Ho fampifandraisana ireo kaominina any ambanivohitra, lalan-tany mirefy 17km mampitohy an’ny kaominina Antsahalalina sy Andriampamaky no nasiam-panamboarana nanomboka ity herinandro ity. Ny fitaleavana eto Analamanga moa dia nitondra fialan-tsiny sahady amin’ireo mpampiasa ny lalan-tany asiam-panamboarana amin’izao fotoana izao, ny amin’ny fanelingelenana haterak’izany.
Manitra Ramanantsoa
