Tsidika

Vakoka : Ny lapa « Manampisoa » na « Lapasoa »

Isan’ireo Lapa tsara tarehy i Manampisoa na i Lapasoa. Ny mpanjaka Rasoaherina, izay nanjaka ny taona 1863 hatramin’ny 1868, no nampanao azy.

Tamin’ny 25 Aprily 1865 no natomboka ny fanorenana azy, ary naharitra roa taona. Ny Aprily 1867 no notokanana ity trano ity. Alarobia ny andro tamin’izay, ary amin’ny 4 ny famantaranandro. Tsy nanao afo Antananarivo iray manontolo. « Tsy manao afo amin’ny fitokanako trano, fa izaho no manao. Tsy mahazo misotro toaka, tsy mahazo mifandray tanana akory ny lehilavy sy ny vehivavy. Apoaka ny tafondro manodidina » hoy ny mpanjaka. Raha hisantatra ny sosoa dia napoaka ihany koa ny tafondro, raha tamin’ny 10 alina ihany koa ny famantaranandro. 80 vava no napoaka tamin’izany ary nozaraina 5 amin’ny fisasaky ny famantaranandro ireo 80 ambara-pahamarain’ny andro.

Nony maraina dia mavo ny lamba, ary niditra daholo, na jiafotsy aza no hitafiana. Mbola betsaka ny fomba natao taorian’izay. Marihina fa efa nirodana tanteraka ity trano ity ankehitriny noho ny doro nahazo azy, ary izay no tsy nahalalan’ny taranaka taty aoriana azy intsony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire