Kaominina Ambohimangakely : Natomboka ny asa fanadiovana ny tatatra manamorona ny arabe
08 Aogositra, 11h 00, Tamin’ny zoma alin’ny 05 aogositra no nanomboka ny fiaraha-mientana ny kaomina sy ny vahoaka ary ny mponina, ao Ambohimangakely, ny amin’ny fanadiovana ny tatatra manamorona ny arabe.
Napetraka, ary nihamafy, ny sazy ho an’ireo izay mandika lalàna na minia manary ny fako mety hanentsika indray ny tatatra. Efa mipetraka ny andrimasom-pokonolona ano an-toerana.
