Etats-Unis : Baseball, fanatanjahantena malaza ao an-toerana
Fantanjahantena iombonana ny baseball. Iray fototra amin’ny cricket izy, ary atao eny amin’ny bozaka sy fasika. Tsy fantatra mazava ny nipoiran’io lalao io saingy tsy azo lavina fa tao Etats-Unis no nivoahan’ny fitsipika maoderina voalohan’izany tamin’ny taona 1845.
Mampiasa hazo antsoina hoe « batte » rehefa milalao azy ary mampiasa fonon-tanana hisambotra ny baolina. Ekipa roa no milalao ny baseball izay misy mpilalao 9 avy. Mifandimby manao mpiaro sy mpanafika ireo ekipa ireo ary mifandimby amin’ny filaharana mazava (line-up) eo amin’ny « batte » ny mpilalao. Mizara kosa ny mpanafika, misy ny « lanceur » sy ny « receveur » ary mizarazara eraky ny kianja ilalaovana kosa ireo fito ambony (efatra ny ao anatiny : première base, deuxième base, arrêt-court, troisième base ; telo ny ao ivelany : champ droit, champ centre et champ gauche) misamboatra ny baolina manao izay hampihitsana ilay mpandefa ny baolina « batteur »).
