ActualitésTatitra

Pologne : Iza moa i Iga Świątek ?

Mpilalao Tennis avy ao Pologne i Iga Natalia Świątek. Teraka ny 31 mey 2001 tao Varsovie izy. Ny taona 2018 ny tenany no niditra teo amin’ny sehatry ny matihanin’io taranja sahaniny io. Efa tompondaka tamin’ny sokajy « junior » tao Wimbledon izy ny taona 2018, ary nahazo medaly volamena tamin’ny « double dames » tamin’ny « Jeux olympiques de la jeunesse » tao Buenos Aires tamin’io taona io ihany.

Ny 10 oktobra 2020 teo amin’ny faha 19 taonany dia nahazo ny toeran’ny mpilalao Tennis avy ao Pologne voalohany nandresy tamin’ny Grand Chelem tao Roland-Garros izy rehefa naharesy an’i Sofia Kenin tamin’ny lalao famaranana. Nanomboka 4 aprily 2022 kosa izy dia lasa laharana voalohany eran-tany taorian’ny fisotroandrononon’i Ashleigh Barty. Nanesisesy ny fandresena izy taorian’izany.

Laisser un commentaire