ActualitésTsidika

Jirama : Miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra

Efa niverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsiana herinaratra amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Tontosa ny fanamboarana ilay taribian-jiro tapaka miainga ao amin’ny foibe fiaingana zotra Ambohimanambola makany amin’ny sous-station Tana-Sud, izay nahatonga ny fahatapahana.

« Efa nisy ny fanamboarana natao tamin’ireo taribian-jiro tapaka. Miverina amin’ny laoniny tsikelikely izany » hoy ny talen’ny herinaratra ao amin’ny orinasa Jirama. « Ny taribian-jiro mitondra tanjaka 63 000 volts avy eo Ambohimanambola mankany Anosizato no simba voalohany. Nihitatra tamin’ny fahasimban’ny phase 2 indray sy ny fahatapahana taribian-jiro hafa izany avy eo. Izay no antony nahatara ny fanamboarana » hoy ny tompon’andraikitra.

Efa miezaka amin’ny famatsiana herinaratra ny orinasa Jirama. Isan’ny vahaolana ihany koa anefa ny fampiasana ny angovo azo havaozina, izay mandray anjara mivantana amin’ny fanarenana ny tontolo iainana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire