Hongrie : Mbola nandresy indray i Max Verstappen
Fandresena faha-8 ho an’i Max Verstappen (Red Bull) ny lalao omaly tamin’ny dingana faha-13 amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany amin’ny Formule 1. Niainga teo amin’ny toerana faha-10 anefa izy, ary nanao « tete-à-queue » tamin’ny fihodinana faha-42 (amin’ny 70). Naka ny toerana faharoa i Lewis Hamilton (Mercedes), ary fahatelo i George Russell (Mercedes).
Tokony ho fandresena mora ho an’i Charles Leclerc (Ferrari) anefa iny lalao iny. Efa nety tsara daholo ny rehetra, saingy nanao hadisoana teo amin’ny kajikajy ny tompon’andraikitra amin’ny paik’ady, hany ka kodiarana tsy mety no napetaka tamin’ny fiaran’i Leclerc. Faha-6 ity farany tamin’ny fifaranan’ny lalao.
Mbola i Max Verstappen hatrany no mitarika amin’ny fiadiana ho tompon-daka eran-tany (isa 258). Manaraka azy i Charles Leclerc (isa 178) sy i Sergio Perez (Red Bull, isa 173).
