SocialTsidika

Ankadikely Ilafy : Nisy ny fizarana vary sy nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo tena sahirana

Olona tena sahirana miisa 500 avy amin’ny fokontany 18 ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy no nisitraka vary sy ny nofon-kena mitam-pihavanana. Ny avy ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary Fampiroboroboana ny Vehivavy no nanatanteraka izany niaraka tamin’ny ekipan’ny kaominina.

« Isaorana ny Ministra izay tonga nizara nivantana ireto fanomezana ireto. Tena akaikin’ny fon’ny vahoaka marina tokoa » hoy i Toavina, mponina ao Ankadikely Ilafy. « Ny fiaraha-mientana tahaka izao tokoa no antoky ny fampandrosoana. Miezaka hatrany isika ho fampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Manampy ny fiainan’ny mponina, izay hita fa tena miha marefo tokoa, ny hetsika tahaka izao. Tsy voatery ny fitondram-panjakana ihany no afaka manao ny toy izany. Isika samy vahoaka ihany koa dia afaka mifanohana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire