Sénégal : Lac Retba, farihy manome asa olona maro
Farihy mavokely misarika mpizaha tany maro ao Sénégal ny farihy Retba. 30 kilometatra eo ho eo miala an’i Dakar, ao Cap-Vert no misy azy. Tsy ambakan’ny farihy ao Australie izy saingy toy ny ao an-toerana dia ahidrano tsy hita maso (algue microscopique) no mahatongan’ny lokon’ny rano lasa mavokely.
Toy ny farihy mavokely rehetra ihany koa dia manan-karena sira goavana io farihy io. Mahatratra 320 grama isaky ny rano iray litatra ny tahan’ny siran’ny rano raha toa ka 30 grama/l izany ho an’ny ranomasimben’Atlantique na 250 grama/l ho an’ny Mer Morte. Mamelona fianakaviana maro any an-toerana ny fitrandrahana io sira io.
