Japon : Horohoron-tany mirefa 7,3 amin’ny maridrefy Richter
Horohoron-tany mirefy 7,” amin’ny marika Richter no namakivaky ny avaratra atsinanan’i Japon. Nanodidina ny 23H tany an-toerana (17H eto Madagasikara) no nisehoan’ny loza, ny sabotsy 13 febroary lasa teo. Manodidina ny 1 tapitrisa ireo tokan-trano tapaka jiro. Maro ihany koa ireo fifandraisan-dalamby tapaka hoy ny governemanta ao Japon. Raha araka ny fanambarana nataon’ny ivontoeram-pamantarana ny mety ho toetry ny andro ao Japon (JMA), 60 kilometatra nidina ambanin’ny ranomasina Pacifique, manamorina an’i Fukushima no nisy ny loharanon’ilay horohoron-tany. Raha tsiahivina, ny 11 mars 2011, efa nisehoana horohoron-tany mirefy 9 amin’ny maridrefy Richter ihany koa io toerana io.
