ActualitésTsidika

BACC 2022 : 192 435 no isan’ireo mpiadina hiatrika ny fanadinana Bakalorea ho an’ny taom-pianarana 2021-2022

Nanomboka ny 18 jolay 2022 ny fanadinam-panjakana Bakalorea ho amin’ity taona 2022 ity. Miisa 192 435 no isan’ireo mpiadina hiatrika izany fanadinana Bakalorea izany ho an’ny taom-pianarana 2021-2022.

« Ny 60,36% amin’ireo mpiadina miisa no voasoratra tao amin’ny sokajy A2. Marihina fa miparitaka amin’ny ivon-toeram-pampianarana miisa 413 ireo mpiadina manerana ny nosy » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena. « Tsy misy olana aloha hatreto ny fanatanterahana ny Bakalorea. Hirariana ny hiatrehan’izy ireo am-pilaminana izany fanadinana izany » hoy ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana iray.

Miisa 180 804 ireo mpiadina ho an’ny fampianarana amin’ny ankapobeany raha 11 631 ny fampianarana ara-teknika. Miisa 168 ny ivon-toeram-panadinana eto amin’ny faritanin’Antananarivo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire