ActualitésTatitra

Comores : Chamsia Sagaf, mpihira sy mpamorona manana ny lazany

Mpanakanto manana ny lazany ao Comores sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Chamsia Sagaf.Teraka ny 29 desambra 1955 tao Mitsamiouli izy. Mivohy ny gadona « afro-zouk » i Chamsia Sagaf ary vehivavy voalohany avy ao Comores nisehatra tamin’izany nitondrana ny lazany teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Efa tamin’ny taona 1970 i Chamsia Sagaf no nanomboka nihira tao amin’ny fikambanam-behivavy, kolontsaina ary mpianatra. Miresaka momba ny fanafahana ny vehivavy, ny fanabeazana ny ankizy, ary ny fitiavana sy ny fanantenana ho an’ny fireneny ny hirany matetika. Manana rakikira dimy izy, anisan’izany i Loléya sy Tsihoro.

Nahazo ny amboaran’ny mpihira mendrika indrindran’ Afrique de l’Est izy ny taona 2003. Efa nampiara-peo tamin’ilay mpanakanto Malagasy Perle Noire ihany koa ny tenany.

Laisser un commentaire