ActualitésTatitra

Etats-Unis : Nahomby tanteraka ny fanaovana « greffe » ny sofin’ny tovovavy iray

Tovovavy avy ao Mexique 20 taona tratran’ny « microtie » no nanaovana ny andrana fandidiana (greffe) sofina « imprimée en 3D » voalohany. Nahomby tanteraka izany. Sela an’io tovovavy io ihany no namolavolan’ny orinasa 3DBio Therapeutics io sofina io.

Hiadiana amin’ny tsy fahatomombanana ateraky io aretina « microtie » io anton’io fikarohana momba ny « impression 3D » io hoy ny Dr Arturo Bonilla izay nanao ny fandidiana ilay tovovavy io. Mbola hitohy amin’ny olona 11 ao Californie sy Texas ny andrana (essai clinique) hoy izy.

Laisser un commentaire