Talatamaty : Vita ny tatitra mikasika ny fitantanana ny hetra ataon’ny mponina
Nisy ny tatitra mikasika ny fidiram-bolan’ny kaominina Talatamaty nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena. Anisan’ny kaominina nahavitra foto-drafitr’asa betsaka ny kaominina Talatamaty.
« Nazoto nandoa hetra ny mponina, ary izay no tena nahatomombana ny fahavitan’ireo fotodrafitr’asa ireo. Maharisika ny mponina mandoa hetra rehefa hitany fa mikasika mivantana aminy ireo vola aloany » hoy ny Ben’ny tanàna ao Talatamaty, Elie Dominic. « Ny hetra dia tsy ho aiza fa miverina amin’ny vahoaka ihany. Tokony harisika handoa hetra ny vahoaka. Eo ihany koa ny fampangarahana ny fitantanana ny hetra » hoy i Sedra, mpianatra toe-karena eny amin’ny anjerimanontolo.
Etsy anilan’izay, notolorana loka sy fanomezana ireo tompondaka sy lefitra tamin’ireo karazana fifaninana ara-panatanjahatena sy fifaninanana hatsaran-tarehy nokarakarain’ny kaominina tamin’ity fetim-pirenena ity. Nisy koa ny matso izay nontanterahina teny amin’ny kaominina, izay nandraisan’ireo hery velona rehetra anjara.
Nicole Rafalimananjara
