Tantara : Tsy mandoro faty ny Malagasy
Tsy fomba malagasy ny mandoro faty. Nisy fotoana anefa tamin’ny andron’ny mpanjaka Andrianampoinimerina dia nisy mpanjaka nanohatra azy ka nodorana ny fatiny rehefa resiny tamin’ny ady. Izany hoe sazy ho an’iny maty iny no nandorana ny fatiny raha ny kolontsaina malagasy.
Ho an’ny Malagasy dia tsy ny hahalasa lavenona ny taolambalon’ilay maty no tanjona fa ny fitahirizana tsy ho lasa vovoka, indrindra fa ny taolambalo. Izany hoe ireo taolan-dava miisa 08 (taolandranjo 2, taolape 2, taolatsandry 2, taolan’ny tanana 2) no antony famonosana lambalandy ny maty. Raha ny finoana Malagasy hatrany, raha voatahiry ny vatan’ilay maty dia mieloelo sy mihaodihaody eo ny ambiroany, ary afaka ny hitahy ny velona. Io ambiroa io no antsoina hoe « razana » satria tena nino ny razana tokoa ny Malagasy fahiny. Ny maty tsy misy vatana voatahiry noho izany dia tsy antsoina hoe « razana » fa « very faty » no fiantso azy.
Maro ireo vahiny no mandoro faty, izay samy manana ny heviny hitondrany azy ny rehetra. Sarobidy ny kolontsaina, ary harena lehibe ho an’ny firenena izany.
Toky Randriamanalison
