Dépêches

Nodimandry ny kolonely Rado Nantenaina Rajaobelina

23 Jona, 13h00. Nindaosin’ny fahafatesana omaly 22 jona teny amin’ny hopitaly Cenhosoa ny tolakandro ny Kolonely Rado Nantenaina Rajaobelina. Nitsabo tena efa nandritra ny fotoana ela izy. Eny amin’ny Cercle mess mixte de la Gendarmerie eny Fort-Duchesnes kosa ny razana no andrasana nanomboka omaly. Mirary fihononana feno hoan’ny fianakaviany sy ny fianakaviambe ny Zandarimaria Malagasy.

Laisser un commentaire