Espagne : Flamenco, dihy miavaka avy ao Andalousie
Fanehoana ara-javakanto nentin-drazana ny « Flamenco ». Karazana gadon-kira sy dihy ao Espagne efa tamin’ny taonjato faha 18 izy io. Dihy noforonin’ny mponin’i Andalousie izany izay ataon’i olon-tokana ary mifototra amin’ny fomba amam-panao (folklore) nalaza avy tamin’ireo kolontsaina isan-karazany niroborobo nandritra ny taonjato maro tao an-toerana.
Azo atao na aiza na aiza ny « Flamenco ».
Mbola tsy very laza io dihy io amin’izao fotoana. Sady voasokajy ho asa famoranana izy no fampisehoana, naseho teo imason’ireo mpakorontana ny lamina ara-moraly sy ara-pivavahana. Araka ny mpanoratra sasantsasany mantsy dia acy amin’ny kolontsaina telo ny « Flamenco » : silamo, jiosy ary kristianisma avy ao Andalousie.
Maro ireo sekoly manana ny maha izy azy mampianatra izany ao Espagne toy ny ao Jerez, Séville ary Grenade.
