Anosy Avaratra : Tontosa ny fivoriambem-pokontany
Nisy ny fivoriambem-pokontany tao amin’ny kaominian Anosy Avaratra. Sehatra maro tao anatin’ny kaominina no navoitra sy nodinihina nandritra izany.
« Lafin-javatra maro mikasika ny fiainan’ny kaominina no nidinihina nandritra ity fotoana ity. Eo ny hetsika ara-java-kanto mandritra ny 26 jona. Hisy ihany koa ny lanonana fametrahana ny takela-by famantarana ny faritry ny kaominina. Noresahina ihany koa ny sehatry ny fahasalamana sy ny fandriam-pahalemana ary ny maro hafa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Anosy Avaratra. « Mankasitraka tamin’ny fahatongavantsika marobe nanohina ny antso natao. Hiaraha-misalahy tokoa ny fampandrosoana ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao Anosy Avaratra.
Noresahina nandritra io fotoana io ihany koa ny fanentanana ny mponina amin’ny fandoavan-ketra sy ny hanaovana ny didim-poitra faobe ny 10 Aogositra 2022. Miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka ny kaominina, hijerena ireo sehatra maro azo hampandrosoana ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
