ActualitésTatitra

Corée du Nord : Miha ratsy ny toe-draharaha hoy ny OMS

Tsy manaiky ny hiara-hiasa amin’ny OMS hiady amin’ny covid-19 i Corée du Nord. Tsy maintsy miasa amin’ny vinavina ity sampan-draharaha misahana ny fahasalamana ity manoloana ny tsy fanomezan’i Pyongyang azy vaovao ofisialy momba ny valan’aretina. Ny angon-drakitra tian’io firenena io zaraina amin’izao tontolo izao ihany no anan’ny OMS.

Tsy afaka ny manao tombana araka ny tokony ho izy ny zava-misy ao Corée du Nord ny OMS raha ny nambaran’ny Dr Michael Ryan, tompon’andraikitriny tranga vonjy taitran’ny OMS. Tombatombanan’izy ireo tsy misy fivoarana fotsiny ny toe-draharaha ao an-toerana ary vao maika miharatsy.

Raha ny voalazan’ny Dr Maria van Kerkhove, tompon’andraikitra ao amin’ny OMS dia 3,7 tapitrisa ny trangana Covid-19 ao Corée du Nord saingy ireo manam-pahefana ao an-toerana dia misokajy izany ho tazo tsotra ihany.

Laisser un commentaire