Politique

Corée du Nord : Voapanga ho nandika sazy amin’ny resaka fitaovampiadiana mahery vaika.

Nanohy ny fanitsakitsahana ny fanapahan-kevitry ny firenena mikambana eo amin’ny sehatry ny nokleary, tamin’ny taona 2020 i Korea avaratra. Tsy nanaraka ny lamina iraisampirenena ny fitahirizana sy famolavolana programa nokleary nataon’i Corée du Nord, araka ny tatitra notanan’ny firenena mikambana ho tsiambaratelo, saingy hitan’i Reuters, ny alatsinainy 8 febroary. Araka ny tatitra nataon’ity mpanara-maso ity, namokatra fitaovana, nitazona ireo toby nokleary ary nanatsara ny fotodrafitrasa fitifirana balafomanga, nitady loharanom-pamatsiana fitaovana sy teknolojia mifanentana amin’ireo programa ireo i Pyongyang. Nalefa tany amin’ny komitin’ny ONU ity tatitra ity. Izy ireo no manara-maso ny sazy mihatra amin’I Korea avaratra, herinandro vitsy taorian’ny nana-filoham-pirenena an’I Joe Biden. Nilaza, ny alatsinainy lasa teo, ny departemantam-panjakana fa nikasa ny handray handray fomba vaovao miaraka amin’I Korea avaratra ny governemanta Biden. Tafiditra ao anatin’izany ny famerenana ny fanadihadiana miaraka amin’ireo mpiara-miasa rehetra.

Laisser un commentaire