Sarotra ny fiainana ankehitriny
Mimenomenona avokoa ny olon-drehetra fa nahitana fiakarana avokoa ny vidin’entana eny an-tsena amin’izao fotoana. Tsy maintsy mihinana ny vahoaka na eo aza izany. Na dia efa eo aza ny ezaka ataon’ny fanjakana manoloana ny fiakaran’izany vidim-piainana izany tamin’ny alalan’ny tsena mora, tsy mahasehaka ny malagasy rehetra akory izany, hany ka lasa sarotra ho azy ny fivelomany, ny mitady ny hohaniny isan’andro eo ihany koa ny fiakaran’ny vidin’entana. Anisan’ny tena mampiakatra azy io ny tsy fahampian’ny asa eo ihany koa ny fanararaotana izany fahantrana izany ka misy ny manao “tsindrio fa lavo” amin’ny majinika. Mila mandray vahaolana entitra ny avy ao amin’ny fanjakana mahefa, amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy manoloana izany olan’ny vahoaka izany. Mizàka io fiakarana io avokoa anefa na ny mahantra na ny mpanakarena ary mety hampidina ny toe-karena Malagasy mihitsy aza izany.
Nicole Rafalimananjara
