ActualitésTsidika

Raharaha fitsarana : Miteraka resa-be

Maro ireo velom-panontaniana tamin’ny didim-pitsarana nivoaka momba ilay zaza nisy nanolana tao Fieferana. Raha tsiahivina dia sazy roa taona an-tranomizina niampy lamandy 500 000 ar no ssazy azon’ireo nahavanon-doza raha 10 taona an-tranomaizana sazy mihatra kosa ny sazin’ireo azon’ireo mpanimba fananana.

Manome lanja ny ara-materialy noho ny maha olona ve ny fitsarana sa miharihary kolikoly eto amin’ny firenena ?

Nanazava ny mpitsara iray tao amin’ny tambajotra sosialy Facebook fa « zefa nianatra sy nofanina amin’ny asam-pitsarana ny mpitsara. Tsy mora ny mitady ny rariny ary tsy mora ny manaja ny « équité ». Fiainan’olona maro mantsy no voakasika ny didim-pitsarana iray ka aza maika mitsikera rehefa tsy fantatrao izay tena tao anatin’ny antontan-taratasin’ady indraindray aho te hiteny hoe mianara koa dia manaova fifaninana dia atao ilay asa hahitana ny havesaran’izany atao hoe mitsara izany ».

Mitombona tokoa ve izany ? Aiza ho aiza izany ny fitsaran’i Madagasikara amin’ny sazy amin’ny fanolanana raha efa manameloka izany ho faty na mampanao « castration chimique » ireo firenena hafa ? 

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire